- Publicité -
mardi, août 12, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Rava ny tambajotran-jiolahy, lehilahy enina, vehivavy roa voasambotra

Ampasampito : Rava ny tambajotran-jiolahy, lehilahy enina, vehivavy roa voasambotra

Ravan’ny tambajotra mpanao fanafihana, nampikaikaika ny mponina teny amin’iny faritra Ampasampito sy ny manodidina iny. Olona enina no voasambotra tamin’izany, teny an-toerana;izay nahitana lehilahy enina sy vehivavy roa. Araka ny fanazavana azo, dia isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nifanesisesy tamin’ny faritra:  Ampasampito, Ankadidramamy, Antsobolo, Ambohimangakely, Ambatobe ary Ambohimahitsy iny ireto olon-dratsy ireto. Ny alahady teo raha ny fantatra, no nahazo vaovao ny teo anivon’ny borigady misahana ny Renivohitra, ny mahakasika ireto olon-dratsy, efa ela nifampitadiavana ireto. Nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo, nanao sarika am-pandriana sy nisava ny tranon’izy ireo. Ny iray tamin’izy ireo no voasambotra voalohany raha ny vaovao azo hatrany. Io indray avy eo no nanoro ireo namany hafa. Anisan’ireo vehivavy roa, izay fantatra fa mpiray tendro, mpaka vaovao alohan’ny fanafihana ary mpanafina ireo jiolahy avy nanao ny asa ratsiny. Marihana fa efa-dahy izy ireo no tena mpiaraka. Ny roalahy kosa dia mpivarotra fandefasan’izy ireo entana avy nangalariny. Nahafahana nisambotra azy ireo ihany koa ny fisiana olona maromaro nitory, izay efa samy lasibatra avokoa ary samy nahatadidy tsara ny endrik’ireto mpanao ratsy ireto. Tamin’ny fanadihadiana natao ireto jiolahy rain-dahiny ireto, no niaiken’izy ireo ny heloka vitany. Efa lafo avokoa moa izay entana rehetra azon’izy ireo. Na dia izao tratra izao aza anefa ity fikambanan-jiolahy ity, dia fantatra fa mbola manohy ny fanadihadiana ny eo anivon’ny zandary. Mbola misy naman’izy ireo mantsy mandehandeha any. Inoana ihany koa, fa mbola any ny basy fitondran’izy ireo manafika. Tsy mitsahatra ny miantso ireo mponina araka izany ireo mpitandro filaminana ny amin’ny tsy hisalasalana hanatona azy ireo raha misy vaovao heno na olona mampiahiahy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici