- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Roalahy mpangalatra anaty fiara tratra am-body omby

Ampasampito : Roalahy mpangalatra anaty fiara tratra am-body omby

Lehilahy roa no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro, teny Ampasampito ny talata faha-21 jolay teo. Tratra am-body omby teo am-pamakiana fiaran’olona izy roa ireo ary tsy afaka niala intsony. Ny vaovao no nahafantarana fa, misy hotely fisakafoana eny akaikin’ny tranom-patin’ny hopitaly Soavinandriana rehefa antoandro. Marobe ny fiara mijanona eo. Izany indrindra no araraotin’ireo mpangalatra hanaovana ny asa ratsiny. Tilian’izy ireo ny entana ary dia tonga tokoa ry zalahy maka izany. Maro dia maro ny fitarainana voarain’ny polisy mikasika izay zavatra izany. Tsy niandry izy ireo fa nandefa olona teny amin’ilay toerana nanara-maso. Tsy ela dia tratra ny lehilahy iray teo am-panaovana ny asa ratsiny. Asa na tsy nahita ny nisamborana an’io ny lehilahy faharoa, dia tsy afaka nihetsika koa tamin’ny halatra nataony. Ny loharanam-baovao hatrany no nahafantarana fa rehefa avy nohadihadiana izy ireo dia niaiky. Omaly 23 jolay no natolotra ny fitsarana ireto lehilahy ireto. Tsy eny amin’iny faritra iny ihany anefa no misy mpangalatra anaty fiara, fa saika amin’ireo toerana maro eto an-drenivohitra. Ny tena mampatahotra ny mpamily amin’izao fotoana izao, dia ireo manendaka mpamily anaty fitohanan’ny fiara. Tsy misy fisalasalana na dia kely aza izy ireo fa mamoha varavarana ary raha tsy misokatra izany dia vakiany ny fitaratra. Arangarangany amin’izany ny fitaovam-piadiana eny aminy. Maro ny olona mahita fa tsy misy sahy mihetsika.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici