Hilamindamina indray aloha ato ho ato ireo vaky trano sy fanafihan-jiolahy eny amin’iny faritra Ampasampito, Nanisana ary Ambatobe iny. Noho ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana sy ireo fokonolona mantsy dia sarona ireo jiolahy rain-dahiny, mpanao fanafihana mitam-piadiana sy mpamaky trano teny amin’ireo faritra ireo. Raha ny fampitam-baovao azo dia tsy ilay tena mbola lehibeny ireto azo ireo. Raha miisa fito no isan’ireo mpikambana anatin’io fikambanan-jiolahy mahery vaika ireto dia ny roa tamin’ireo no tratra, ny alatsinainy lasa teo. Raha ny fantatra hatrany dia mbola hita tao an-tranon’ireo olon-dratsy ireto ireo entana avy nangalariny. Nahitana « ecran plat », solosaina, finday, fakan-tsary, ary fitaovana maro samihafa. Ireo roa tratra ireo no nanondro iretsy olona dimy mpiray tendro aminy, ka anisan’izany ity lehiben’ny jiolahy, izay mbola karohina fatratra amin’izao. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa efa atao fanadihadiana ny vadin’ity jiolahy rain-dahiny ity. Tamin’ireo mpitandro filaminana tonga tany an-tranon’ity jiolahy ity mantsy dia sahy nihantsy ady tamin’iretsy voalohany mihitsy ny zanaky ny tompon-trano. Tafaporitsaka, niaraka tamin’ny basy PA tamin’izany io jiolahy rain-dahiny io. Fantatra ihany koa fa olona efa karohin’ny pôlisy fatratra ity lehibeny sy ireo olona efatra miaraka aminy, izay ahiana ho tompon’antoka tamin’ny fangalarana ilay vola be mitentina 100 tapitraAr tamina sinoa tetsy Behoririka. Manentana ireo mponina ny mpitandro filaminana amin’ny fiaraha-miasa sy fanomezana fanampim-baovao. Etsy andanin’izay ihany koa, entanina ireo olona nanana trano vaky tamin’ireo faritra ireo hanatona ny pôlisy etsy Tsaralalàna, hitondra taratasy mazava, hijery ireo entana tratra ireo.
r.s.