- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Taxi-brousse nifatratra teny amin’ny tamboho, nifaoka olona telo

Ampasampito : Taxi-brousse nifatratra teny amin’ny tamboho, nifaoka olona telo

Nandriaka indray ny rà, omaly tolakandro tetsy Ampasampito, ambany kelin’ny ‘gare routière’, raha ho any Ankadindramamy iny, Fiara taxi-brousse manao zotra nasionaly, mampitohy ny renivohitra amin’ny faritra Atsinanana no nifatratra teny amin’ny tambohon’olona, rehefa avy nifaoka mpandeha tongotra maromaro. Olona telo no fantatra fa naratra. Ny iray tamin’izy ireo no tena voa mafy ary efa tsy nahatsiaro tena intsony. Lehilahy manodidina ny 50 taona any ho any, nentin’ilay fiara nidona tamin’ilay tamboho no sady voatery tao anelanelany. Nijininika ny rà, potika tanteraka ny tapany ambany iny, raha ny angom-baovao azo teny an-toerana. “Na izahay aza tsy nahafantatra marina izay zava-niseho fa feon-javatra nidoboka mafy sy ilay rangahy noraofin’ilay fiara no hitanay farany, talohan’ny nitsoahana sy nanavotana ny aina” hoy ny renim-pianakaviana iray, mpivarotra voankazo, izay anisan’ny voafaokan’ilay fiara. Difi-janahary ny tsy nahavoa azy ireo. Ny entam-barotra sy ny talatala nivarotana no potika tsy nisy noraisina. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nentina malaky namonjy toeram-pitsaboana ity naratra mafy ity. Ireo naratra hafa kosa, roalahy izy ireo dia samy voakika teo amin’ny faritry ny tongotr’izy ireo avokoa. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana hatrany dia voalaza fa olana ara-teknika teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza. “Tsy dia nandeha mafy akory ilay fiara, moa ny lalana rahateo fiakarana. Handeha hiala fiara iray nijanona teo amin’ny sisin-dalana izy io no niridana tampoka ary niafara teny amin’ny tamboho amin’ny ilany ankavanan’ny arabe” hoy ny filazan’ireo nanatri-maso hatrany. Marihana moa fa tsy nisy afa-tsy ny mpamily ihany no atao anaty fiara. Fiara izay vao tonga avy any Atsinanana, omaly maraina, handeha hamonjy tobim-piantsonana. “Nihitsoka ny “direction” dia tsy tafaverina intsony” hoy ny filazan’ny tovolahy iray, mahafantatra tsara ilay fiara, saingy tsy tao anatiny tamin’io fotoana io. Marihana fa vao nitranga ny loza dia efa tsy tazana teny an-toerana intsony ilay mpamily. “Nandeha niaro ny tenany sy nanatona avy hatrany biraon’ny mpitandro filaminana izy” hoy ny filazan’ireo pôlisy teny an-toerana. Tazana teny an-toerana moa teo anivon’ny mpamonjy voina, ny pôlisin’ny boriborintany fahatelo ary ny avy eo anivon’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana, nanao ny angom-baovao sy ny fijerena ifotony ny zava-nisy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici