- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Telo lahy nandroba, voadaroka ny tompon-trano lasa ny vola sy...

Ampasampito : Telo lahy nandroba, voadaroka ny tompon-trano lasa ny vola sy volamena

Ny marainan’ny alatsinainy tamin’ny 2 ora sy sasany, tokantrano roa no notafihan’ny jiolahy miisa telo mirongo basy sy antsy teny Ampasampito. Ireo no niditra ny trano fa voalaza koa fa nisy hafa niandry tany ivelany. Vokany, lasan’ireo mpangalatra avokoa ny vola, volamena, fitaovana sarobidy maro samy hafa, toy ny “décodeur”, ordinatera fitondra ary zavatra hafa. Tao amin’ny efitra iray, raim-pianakaviana no nambanana basy teo amin’ny tendany ary voadaroka avy eo.

Ny efitra tao ambany no nandehanan’ireo jiolahy voalohany. Tsy fantatra izay azony tao. Efa nahare ireo mipetraka tao ambony rihina ary avy hatrany dia niantso vonjy sy nitsoka sifile. Tsy nisy sahy nivoaka mihitsy anefa ny manodidina noho ny tahotra na dia nahare izany antso izany aza. Nanjaka tanteraka ireo olon-dratsy. Naharitra elaela ihany ireo mpangalatra. Rehefa azony izay nilainy dia lasa nandeha izy ireo. Taorian’izany vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana  ireo voatafika. Tonga vetivety ihany izy ireo saingy tsy nahatratra ny jiolahy intsony. Ny nahavariana an’ireo niharan’ny fanafihana dia ny fofona hafahafa heno tamin’ireo mpandroba ireo. Ankoatra izany, manana alika ry zareo, nefa dia tsy nisy nahare alike nivovo mihitsy tamin’io alina io.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser