Niharihary tanteraka ampahibemaso ny fampirafesana nataon’ny raim-pianakaviana iray. Naka sary izay nanana finday ary nisy hatramin’ny horonan-tsary aza niparitaka tamin’ny tambajotram-pifandraisana. An’arivony arak’izany no indray nahita ny zava-nitranga. Ampasampito, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro, ny asabotsy teo, no nisy ramatoa nipoitra tampoka tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Nosakanany ny fiara miloko volon-davenona izay nisy olona roa tao anatiny (lehilahy sy vehivavy) ary tsy nety niala teo anoloan’izany izy no sady nitabataba. « Vadiko io ary vadin’olona ihany koa ilay miaraka aminy… » hoy ilay ramatoa nivazavaza. Nanomboka niherika ny rehetra tao anaty taxi-be, ny tao anaty fiara, ny mpandeha an-tongotra sns. Nitangorona mihitsy aza satria nanintona ny saina ny zava-nitranga. Nalain-dramatoa baraka tanteraka ilay vadiny izay nolazainy ihany koa fa mpiandry ao amin’ny fiangonana iray. Sanganehana ireo olona roa tao anaty fiara satria tsy nisy fika intsony, ny fifamoivoizana rahateo nitohana. Tsy nety nivoaka tao izy ireo ary nijery fotsiny ilay ramatoa nentin-katezerana no sady nanimba ilay fiara. Mainka koa namoahan’ilay ramatoa ny sarim-badiny teo imason’ny olona rehetra teo mba hanaporofoany fa tena vady mariaziny tokoa io rangahy io. Ny hany herin’ilay raim-pianakaviana izay afabaraka tanteraka sisa, dia ny nirifitra nitsoaka raha vao nisokatra ny fifamoivoizana. Nofaohiny hatramin’ilay ramatoa izay tsy nety niala teo anoloan’ny fiara. Io farany dia voatery nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana noho ny ratra izay nanjo azy. Asa izay mety ho raharaham-pitsarana mahakasika ity tranga ity, satria raha tena mitombina ny voalazan’ilay ramatoa, dia azo an-tsary sy horonam-peo avokoa ny zava-nitranga rehetra…
D.R