Efa saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ity rangahy lehibe iray, terantany vahiny, nandratra mpitondra taxi sy nanimba fiara tetsy Ampasampito ny sabotsy teo, raha tsy niditra an-tsehatra haingana ireo mpitandro filaminana.
Raha ny zava-nitranga teny an-toerana, dia nisy fiarakaretsaka nosakanana lehilahy lehibe iray, teratany vahiny, tampoka teo amin’ny arabe, fa hoe hiampita ity farany. Tsy nanampo tanteraka izany ny mpamily saingy na izany aza dia tafajanona ara-potoana ihany, ary tsy nahakasika akory ilay vazaha, hoy ny angom-baovao. Nimenomenona be anefa ity farany ary niafara hatramin’ny fandakàna mafy ilay fiara izany, izay nahampempo ity farany. Nivoaka avy hatrany ny mpamily, handeha hifanazava amin’ity mpanimba fananan’olona saika namoaka zava-maranitra ilay vazaha ary nandratra ilay mpamily. Teo imasom-bahoaka izany rehetra izany no nitranga, ka nahatezitra ny rehetra, izay saika hirohatra hamono ilay nandratra. Saingy nitsoaka anefa ity farany, ary nialokaloka tanaty fivarotam-panafody iray teny an-toerana. Teo no tonga ny zandary avy etsy amin’ny borigadin’i Tana Renivohitra, izay nitondra avy hatrany ity teratany vahiny tsy nahay niaina ity, nentina nanaovana fanadihadiana. Ilay mpitondra taxi kosa dia nentina notsaboina. Raha ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana dia olona tsy dia salama saina loatra ilay vazaha ary manampy trotraka izany ny fahanterany. Araka izany, na dia tsy maintsy notazomina tetsy Betongolo aza ity vazaha nandratra olona ity, dia nisy ihany ny fifampiraharahana teo amin’ireo mpitory sy ity teratany vahiny ity.
m.L