- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Vehivavy mpamaky trano, nifanenjehan’ny pôlisy

Ampasampito : Vehivavy mpamaky trano, nifanenjehan’ny pôlisy

Miandahy miambavy mihitsy ireo mpanao ratsy, mpanendaka sy mpamaky trano amin’izao. Vehivavy iray, tokony ho 32 taona no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahatelo, teny amin’iny faritra Météo, Ampasampito iny rehefa avy nifanenjehana eran’ny tanana.

Ny talata lasa teo dia nisy andian’olona maromaro, niisa teo amin’ny dimy teo, raha ny angom-baovao azo no hitan’ny fokonolona nampiahiahy teny an-toerana. Rehefa nozohiana dia fantatra tamin’izany fa avy namaky trano iray teny amin’iny faritra Ampasampito iny izy ireo. Voatsikaritr’ireo mpifanila vodirindrina fa avy nivoaka tamina trano iray teny an-toerana ireto andian’olona ireto kanefa fantatra fa tsy olona ao amin’io trano io mihitsy. Nampilaza avy hatrany ny pôlisy ireo nahita. Tsy nisalasala mihitsy koa ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana voalaza. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy raha vao nahatazana ireo pôlisy. Raikitra teo ny fifanenjehana. Tafaporitsaka avokoa ny ankamaroan’ireo tontakely ankoatry ny vehivavy iray izay isan’ireo tompon’antoka tamin’ilay asa ratsy. Nentina avy hatrany natao famotorana moa ny tenany ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana rehefa vita izany. Fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika ity vehivavy ity araka ny fanapaha-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici