Mangotraka ny asan-jiolahy rehefa mipaika ny volana desambra. Samy efa mahafantatra an’izany avokoa ny rehetra. Ny antony dia tsotra ihany, mitady vola hanaovana fety ny olon-dratsy. Tetsy Ampasanimalo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva ny alahady teo, raha nivoaka ny olon-dehibe tao amin’ny tokantrano iray ka ny zanany sy ny mpanampy no nijanona tao an-trano, dia nanararaotra ny mpanao ratsy. Nitsofoka tao amin’ilay trano ny dimy lahy nitam-basy. Norahonana ireo olona roa niambina ny trano ary nofatorana tany amin’ny efitrano fidiovana. Rehefa izay dia nobataina izay rehetra nety tamin’ireo mpangalatra tao anatin’ilay tokantrano. Trano efa foana sy ny menaky ny aina nifatotra no novantanin’ny ray aman-dreny. Azon’ny tsirairay an-tsaina angamba ny fahoriana nianjady tamin’izy ireo. Tetsy Besarety indray dia mpivarotra zava-pisotro handeha hanidy tsena no nandalovan’ny jiolahy mitam-basy, ny harivan’ny asabotsy indray io. Lasa ny vola izay maty nandritra ny andro. Loharanom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana fa manodidina ny 500.000 ariary izany. Farany dia tetsy Antohomadinika, mbola ny harivan’ny asabotsy hatrany. Mpivarotra akanjo efa nanaovana (friperie), mpambongady, no narahin’ny jiolahy hatrany an-tranony. Rehefa avy nivarotra izy ireo dia tapa-kevitry ny nitondra vola mody, tsy toy ny fanaony mahazatra. Heverina ho nisy firaisana tsikombakomba tamin’ity fanafihana ity, satria mety ho niainga tamin’izay no anton’ilay asaratsy. Dimy lahy ary nisy nitondra basy lava, raha araka ny fanamarihana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana, no nanao ny fanafihana. Lasa avokoa ny vola maty indray andro. Miverina ny asan-jiolahy ary mifanesy. Tsy ambakan’izany ihany koa ny amin’ny antoandro izay matetika sinto-mahery no fomba isehoany. Ireo olona mampiasa finday anaty taxi-be no isan’ny tena lasibatra. Misesy etsy amin’ny “tranobe”, etsy Ampandrana, alohan’ny hahatongavana eo amin’ny Rasalama ny olona mitaraina ho niharan’izany. Saika faritra mena amin’ny fanendahana avokoa izay aleha amin’ny antoandro. Hafatra miverina matetika ny hoe mila mitandrina ny rehetra. Tsy misy diso izany saingy mba mila mailo ihany koa ny mpitandro ny filaminana mametraka ny olony amin’ny fanamiana sivily etsy sy eroa, mba hampitony ny sain’ny olona. Tsy misy saina afaka hieritreritra fampandrosoana mihitsy raha miaina ao anaty tsy filaminana ny olona…
D.R