Mikaikaika ny mponina eny amin’iny faritra Ampasanimalo iny. Mirongatra izay tsy izy mantsy, raha ny fitarainan’ny mponina ireo mpanao sinto-mahery mandeha môtô. Asa tokoa hoe mivoatra ve ny toetr’andro, dia nampanarahana izany indray ny fomba fiasan’ireo mpanendaka. Tsy mifanala hazakazaka mantsy izy ireo, fa efa mampiasa môtô. Na ireo mpandeha tongotra, na ireo anaty fiara no tena lasibatra amin’izany. Miaraka roa eny ambony môtô scooter ry zalahy ka ny iray mamily, ny iray misintona ny paoketra na izay entana sarobidy eny amin’izay mitamatama. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia efa tena maro tokoa ireo mponina no voan’ity eny amin’iny faritra iny. Araka ny fantatra dia eo amina sampanana iray, akaikina trano filanonana eny an-toerana no tena kianja hanjakan’ireto mpanendaka mitondra môtô ireto.
nangonin’i m.L