- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasanimalo : Mpandalo lasibatry ny fanendahana

Ampasanimalo : Mpandalo lasibatry ny fanendahana

Efa maromaro ihany ireo voa teo amin’io toerana io, tetsy Ampasanimalo, indrindra fa raha vao mirotsaka fotsiny ny aizana, na amin’ilay atoandrobenanahary, zara raha misy olona mandeha iny. Tsy mifidy asiana ireo tontakely, saingy ireo olona sendra mandalo amin’izany toerana izany no tena ataon’izy ireo mitondra faisana tokoa. Raha ny angom-baovao azo hatrany dia ankevitry ny olona eny amin’ny manodidina eny ihany no tonga manao ny asa ratsiny eo amin’izany toerana izany. Toa ity voasambotry ny pôlisy ny faran’ny herinandro teo ity. Tovolahy iray 29 taona, mpibata entana ary monina eny Ambatoroka.

Raha ny fampitam-baovao azo amin’ny pôlisy, ny atoandron’ny sabotsy lasa teo, dia nisy nihoraka teo amin’ny elakelan-trano tsy lavitry ny fivarotana lehibe iray teny an-toerana, fa nisy mpandalo voaendaka. Tamin’io fotoana io dia teo am-panaovana ny fisafoana mahazatra ireto mpitandro filaminana, ka raha iny teo am-pitsoahana iny indrindra ilay tontakely no nifanena tamin’ireto pôlisy. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana ary tsy lasa lavitra dia voasambotra ilay tovolahy nitsoaka. Natao avy hatrany ny fisavàna azy ary mbola tratra teny aminy ny finday avo lenta, vao avy nalainy tamin’ilay olona lasibatra. « Nametraka fitoriana avy hatrany ny tompon’ilay finday ary niakatra Fampanoavana omaly ny raharaha. Voatazona vonjy maika eny Antanimora ilay voalaza fa mpanendaka » hoy hatrany ny vaovao azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici