- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasanimalo : Nisy nanafika ny sekoly katolika Saint-Joseph

Ampasanimalo : Nisy nanafika ny sekoly katolika Saint-Joseph

« Jiolahy tsy nisaron-tava  enina ; izay mitondra antsy sy ‘pince coupante’ no nihanika ny tamboho ary niditra teo amin’ny ‘guérite’ nisy ny mpiambina » raha araka ny fanazavan’ny zandary. ny Alin’ny zoma teo no nitranga ny fanafihana. Nofatoran’izy ireo tamin’ny  « scotch » lehibe ny tanan’ilay mpiambina ary  novelesiny tamin’ny  « pince coupante »nony avy eo ary naratra mafy. Raha ny filazan’ny masera izay miandraikitra ny fampihodinana ny sekoly, dia mbola afaka niantso vonjy ilay mpiambina. Henon’ny masera izay nampandre ny zandary avy hatrany izany. Samy nanao ny fisafoana ny zandary sy ny pôlisy rehefa tonga teny an-toerana. Nentina teny amin’ny hopitaly miaramila ny naratra ary nosokafana ny fanadihadiana. Tsy nisy na inona na inona azon’ireo jiolahy satria nalaky tonga ny mpitandro  filaminana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici