- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasapito : Mpanampy ny mpamily saika hanolana mpandeha

Ampasapito : Mpanampy ny mpamily saika hanolana mpandeha

Mba mailo ry mpandeha taxibe isany ! Taxibe iray mampitohy an’i 67ha sy Ambatomaro no nitangoroan’ny olona, ny talata alina lasa teo, teny amin’iny faritra Ampasampito iny. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia nisy tovovavy niantso vonjy sy nitomany tao anatin’ity fiara ity, fa hoe saika naolan’ny mpanampin’ny mpamilin’ity fiara ity. Tsy nisy afa-tsy ity tovovavy ity mantsy sisa no hany mpandeha tavela tao anatin’ilay fiara, izay efa karazan’ny fara “ligne” ihany satria efa nanondro tany ho any amin’ny valo ora sy sasany tany ho any famataran’andro. Raha ny fitantaran’ireo toerana hatrany dia toa hoe tsy navelan’ilay “receveur” niala ity farany na dia efa tonga teo amin’ny “terminus” aza ilay taxibe, ambonin’izay mbola niampy vono ihany. Nitangoronan’ny olona teo Ampasampito teo ity fiara ity ary saika tsy namelan’ny olona mihitsy. Nitsoaka kosa ity mpamilin’ity fiara ity. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana nitondra ny fiara sy ilay mpamily.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser