- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasapito : Mpisoloky iray nosamborin’ny polisy avy ao Analamahitsy

Ampasapito : Mpisoloky iray nosamborin’ny polisy avy ao Analamahitsy

Lehilahy iray 45 taona monina any Moramanga fantatra amin’ny fisolokiana ataony no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 Analamahitsy teny Ampasampito ny sabotsy lasa teo tamin’y 4 ora sy sasany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa fianakaviana iray mpivarotra eny Androhibe Analamahitsy no nosolokian’izy io. Fantany fa manana olana amina resaka ady tany teny amin’ny fitsarana io mpivarotra io. Nantonina ireo olona ireo ary nilazany fa afaka mamaha ny olona izy satria mahafantatra mpitsara afaka mamaha ny olana. Efa tamin’ny taona 2015 izany. Nampiresahany ireo mpivarotra ary nangalany 700 000 ariary hikarakarana ny taratasy rehetra.  Raha vao nahazo vola ny anao lahy, tsy hita izay nalehany. Tamin’ny faha-16 jolay anefa, niverina tany amin’ireo mpivarotra indray ilay voalaza fa mpisoloky ary nanome toky fa tsy maintsy ho vita ny taratasy. Dia mbola saika hanambaka ihany ilay mpisoloky nilaza fa manana vary akotry amina taonina hamidy sady azo atao trosa. Tsy hividy anefa ilay mpivarotra.  Ny alahady faha-17 jolay, nantsoiny tamin’ny telefonina ilay mpivarotra ary nolazainyfa « ratsy saina » sady norahonany hoe « hifampitady isaika ». Nampiany izany ka nilazany fa hivadika amin’ny fifanekena efa nataony momba ny tany ka hanatona ireo mpifanandriny amin’ireo teo aloha. Mbola niantso indray izy sady nanova feo ary nitonona ho zandary ary nasainy tonga teny Betongolo ilay olona nosolokiany tamin’ny talata faha-20 jolay. Rehefa teny anefa ilay olona, tsy nipoitra teny ny anao lahy. Tsy niandry fa nandeha nametraka fitoriana teny amin’ny polisy Analamahitsy ilay voasoloky niaraka tamina olona telo hafa efa voasolokin’io lehilahy io. Ny zoma faha-22 jolay no nanaovany izany. Natao ny velam-pandrika ka izao tratra izao ilay lehilahy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa efa ela no nisoloky ity lehilahy ity, naharitra hatrany amin’ny 16 taona, ary maro dia maro ny olona efa nahazoany vola. Fantatra ihany koa fa efa nigadra teny Antanimora izy ny taona 2006. Omaly alatsinainy no natolotra ny Fampanohavana ilay rangahy.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici