- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmpasika : Andian-jatovo mamely amin’ny sabatra

Ampasika : Andian-jatovo mamely amin’ny sabatra

Mbola tsy ampy taona.

Ny azo antoka aloha dia tsy ny hiaro ny Tompo velively, tahaky ny nataon-dry Piera tamin’izany andro izany ny antony namoahan’izy ireo ny sabatra teny aminy ary nandratrany olona anankiroa be izao … Efa tsy vitsy tokoa ireo mponina na ny mpandalo no mitaraina ny amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra Ampasika sy ny manodidina iny. Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa misy andian-jatovo miriaria miaraka amin’ny sabatra teny an-toerana, tsy menatry ny manendaka sy mandratra ireo izay olona sendra azy. Ny alin’ny alarobia lasa teo, rangahy iray 30 taona no naratra mafy, voakapa tamin’ny sabatra. Taoriana kelin’izay kosa dia vehivavy iray indray no lasibatra. Tsy naratra saingy niharan’ny fanendahana. Raha ny fitantarany dia miisa telo ireto andian-jatovo ireto, ary mandrangaranga ilay antsy lava maranitra nentiny nampitahorana azy. Niantso vonjy avy hatrany tamin’ireo pôlisy manao fisafoana tsy ankiato teny an-toerana ity farany. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireto farany, ary niezaka nanao ny fikarohana azy ireo. Tsy nandeha lavitra tokoa dia nifanehatra tamin’ireto andian-jiolahy mpampirohoroho ireto. Raikitra ny fifanenjehana ary tsy lasa lavitra akory ny iray dia voasambotra. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia mbola tsy ampy taona akory ny tovolahy tamin’izao voasambotra izao. « Vao 17 taona izy io » hoy hatrany ny loharanom-baovao. Marihana fa tafaporitsaka ireo namany roalahy, niaraka nanao izao asa ratsy izao teny an-toerana, araka ny vaovao azo hatrany. Efa eo an-dalam-pikarohana azy ireo rahateo moa ireo mpitandro filaminana. Ingahy mpamely amin’ny sabatra kosa efa natolotra ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona, hanao ny famotorana azy.

 m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici