- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika – Ankorondrano : Taxi roa voatafiky ny jiolahy mitam-basy, lasa ny...

Ampasika – Ankorondrano : Taxi roa voatafiky ny jiolahy mitam-basy, lasa ny volabe

TaxiIreo mpitondra fiara indray amin’izao fotoana izao no lasibatr’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ny talata hariva lasa teo, teny amin’iny tetezan’Ampasika iny, roalahy nitana basy no nanararaotra ny fitohanana, nandroba ny mpandeha tao anaty taxi iray. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny sakaosy, izay araka ny fantatra dia nisy volabe, araka ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ity trangam-panafihana ity. Nihorohoro ary saika tsy nahantantara ny zavatra hitany ny tovolahy sendra nandeha môtô tamin’iny faritra Ampasika iny, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany teo ho eo. Efa tery, ny haratsin’ny lalana manginy fotsiny, ary tsy hialàna fitohanana iny lalana iray mankany Itaosy iny. Teo amin’ny tetezana teo, sendra nisy omby maromaro nitandahatra nibahana ny fifamoivoizana teny an-toerana, ary vao mainka nampikatso tanteraka ny fizotry ny fiara. Tamin’izay indrindra no nanatona moramora an’ity taxi ny roalahy, ny iray nanao akanjo fiaro orana miloko maitso toy ny any amin’ny mpitandro filaminana, ilay iray kosa avy hatrany dia teo amin’ny mpamily nanambana basy. Samy tsy nisy nahetsika sy nahateny ireo olona nahita ity tranga ity. Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia efa vita ny asa ratsin’izy ireo. Sakaosy iray no lasan’izy ireo. Fanafihana efa voaomana tanteraka angamba satria dia io sakaosy io irery no tena notetehan’izy ireo. Araka ny fantatra dia volabe no tao anatin’io sakaosy io, izay mbola tsy fantatra hatreto ny teti-bidiny. Efa tena tetika maty paika tokoa ny an’ireto olon-dratsy, izay nitsoaka avy hatrany raha vao avy nahavita ny asa ratsiny.

Fa mbola fanafihana taxi ihany, nitranga tetsy Ankorondrano. Ratsy fanombohana ny tontolo andron’ilay lehilahy. Sady voaambana basy izy no voaendaka. Tao anatin’ny fiarakaretsaka iray, marika peugeot 205 no nitrangan’izany, omaly maraina. « Faran’izay haingana no nisehoan’izany fanafihana izany. Olona roa nihazakazaka be rehefa nijanona ilay taxi no hitako. Rehefa nanontaniana dia fantatra fa nisy fanambanana basy sy fanafihana ilay olona tao anatiny. Lasa ny vola izay tsy fantatro ny tetiny » raha araka ny fanazavan’ny olona iray izay nandalo tamin’iny toerana iny raha ndeha hamonjy ny toeram-piasany. Aiza ihany no ahitàn’ny jiolahy fitaovam-piadiana, indrindra ny basy? Dia mbola hisy hiala bala indray ve fa basy tamin’ny krizy 2002 hatrany no miparitaka ankehitriny ka mahatonga ny asan-jiolahy tsy voafehy intsony ankehitriny?

m.L / D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser