- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : Efa-dahy saika hanendaka moto tao anaty « embouteillage »

Ampasika : Efa-dahy saika hanendaka moto tao anaty « embouteillage »

Soa  fa nalaky tongany polisy ka tsy nahomby ilay tetika. Ireo mpitaingina moto indray izao no lasibatry ny asa-jiolahy eny amin’iny faritra Ampasika iny. Manararaotra ny fitohanan’ny fiarakodia eny amin’ny lalana mihazo an’Itaosy sy Anosizato iny ireo olon-dratsy mba hanafihana ireo mpitaingina moto. Lehilahy iray nitaingina scooter no  tratran’izany ny Alatsinainy 21 Aogositra tokony ho tamin’ny7 ora hariva. Jiolahy efatra no toa efa nanaraka ity moto ity tao anaty « embouteillage »ary saika tonga dia hanao ankeriny azy. Araka ny loharanom-baovao, nisy nahatsikaritra izany ka vetivety foana dia tonga teny an-toerana ny polisy mpanao fisafoana. Nandamoka noho izany ilay fikasan-dratsy satria oasambotra ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Tafaporitsaka kosa nyroa.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici