- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : Fiaran’olona namidin’ny ramatoa tamina taratasy sandoka

Ampasika : Fiaran’olona namidin’ny ramatoa tamina taratasy sandoka

Raha ny fomba fiadiny dia azo heverina fa efa rain-dahiny amin’ny fisolokiana ity ramatoa iray, voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Ampasika iny, ny zoma lasa teo. Nitonona ho tompon’ny fiara iray ny tenany ary nikasa hivarotra izany tamin’ny olona iray. Efa nahazoany vola dimy tapitrisa ariary ity mpividy ity, ary taorian’izay no saika handositra niaraka tamin’ny fiara ilay ramatoa. Soa ihany anefa fa mailaka ilay rangahy nividy ka tra-tehaka teo ny anao vavy. Raha ny zava-nitranga : rangahy iray no nikasa hividy kamiô. Nentin’ny mpanera tao amin’ity ramatoa ity, izay voalaza fa manana fiarabe marika Mercedes 1113, ilay mpividy. Fiarabe izay tsy niafina fa teo an-tokotany. Natao ny ady varotra ka tapaka tamin’izay fa 13 tapitrisa ariary no vidiny. Ampy tsara ny taratasy rehetra teny an-tanan’ilay ramatoa ka roboka ilay mpividy, nanao ny taratasy fampivarotana tany amin’ny Firaisana. Ny nahavitan’izay no ela dia nangataka « avance », dimy tapitrisa ariary ramatoa. Variana tamin’ny fihodinkodinana teo amin’ity tranom-panjakana ity anefa ny rehetra. Tao anatin’izay kosa dia tsy hita tany nanjavonana intsony ity ramatoa. Nanan-kevitra ny handeha avy hatrany tany amin’ny toerana nisy ilay fiara ilay rangahy. Ity fiarabe ity efa velona sy niomana ny handeha no sendra hitany. Niantso pôlisy avy hatrany ity farany. Ka tamin’izany no nahafantarana fa tsy azy velively ilay fiara, saingy nokasainy hamidy. Taratasy hosoka avokoa no nampiasainy sy nentiny nanangoleny ilay mpividy. Teny amin’ny pôlisy ihany koa no tonga ilay tena tompon’ny fiara, nitondra ny taratasy rehetra ara-dalàna mombamomba an’ilay fiara. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity ramatoa nisoloky ity, ary nadoboka am-ponja avy hatrany, miandry ny fitsaràna azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici