- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmpasika : Jiolahy nifanenjehana

Ampasika : Jiolahy nifanenjehana

Raha resaka tsy fandriampahalemana, dia efa malaza ratsy loatra iny faritra Ampasika sy Andohatapenaka iny. Efa tsy vitsy mantsy ireo nitondra takaitra sy lasibatr’ireo tontakely miaraka amin’ny fitaovam-piadiana, eny fa na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana.

Ny alarobia teo, jiolahy anankiroa no nifanenjehanan’ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’Itaosy, raha nikasa ny hanao ny asa ratsiny teny Ampasika, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Efa nisy olona saika lasibatr’izy ireo mantsy ka niantso vonjy sy nampandre avy hatrany ireo pôlisy. Teo anatrehan’ity firongatry ny asa ratsy eny an-toerana ity dia tsy nisalasala avy hatrany ireto mpitandro filaminana ireto nandray ny andraikitra tandrify azy ary nidina teny an-toerana. Napetraka avy hatrany ny paikady sy ny vela-pandrika tsy ela dia tafalatsaka tao anaty harato izy roa lahy ireto, rehefa voadidina. Saingy mbola nahita hirika nitsoahana ihany. Raikitra ny an-kanenjika tamin’io alina teny an-toerana, izay nahavalalanina ny mponina ihany. Noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana anefa dia tsy ela dia voapaingotra ihany ireto olon-dratsy ireto.

Tao anatin’ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa tsy mponina velively eny an-toerana izy ireo fa any amin’iny faritra Andravoahangy sy Anjanahary iny. Kanefa dia tonga eny Ampasika manao ny asa ratsiny. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireo pôlisy amin’izao, hikarohana ireo izay mety ho namany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici