- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : Lehilahy hita faty tao ambany tetezana, efa potika ny vatany

Ampasika : Lehilahy hita faty tao ambany tetezana, efa potika ny vatany

Omaly tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina tany ho any no hita faty tetsy Ampasika, ny lehilahy iray manodidina ny 34 taona. Efa nahitana fahasimbana ny razana ary ankevitry ny efa nilona rano ela. Omaly maraina, olona sendra niasa teny amin’iny ranon’Ikopa iny no nahita ity zavatra miendrika vatan’olona, nantsigevan’ny rano. Nitangorona ny fokonolona. Nidina avy hatrany teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nizaha ny razana. Raha ny voalazan’ity farany dia efa nisy teo amin’ny 8 andro teo no nahafatesan’ilay olona, raha ny hita tamin’ny fahasimban’ny razana. Nahitana fahapotehana tokoa mantsy ny faritra sasany amin’ity lehilahy hita faty ity, izay voalazan’ny mpitandro filaminana fa mety ho nohanin’ireo biby isan-karazany tao anaty rano tao. Hatreto aloha dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny fahafatesana, ary tsy fantatra ihany ny mombamomba an’ity lehilahy ity. Tombanana ho nilomano, noho ny hafanana be dia natelin’ny rano avy eo. Na ihany koa ho nisy namono dia natsipy tao anaty rano avy eo. Nisy kosa ny olona nilaza ho fianakavian’ity lehilahy hita faty ity, teny an-toerana. Ireto fianakaviana ireto dia nilaza tamin’ny mpitandro filaminana fa efa ho 10 andro izay, izany hoe ny 6 oktobra lasa teo, no tsy hita ny havany ary efa nanao ny fikarohana rehetra izy ireo. Lehilahy 33 taona eo ho eo, monina eny Andranonahoatra Itaosy, ary somary marary saina raha ny voalazan’izy ireo hatrany. Efa misokatra amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana momba ny nahafaty ity lehilahy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser