- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : Lehilahy namonotena, nitsoraka avy teny ambony tetezana

Ampasika : Lehilahy namonotena, nitsoraka avy teny ambony tetezana

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo, no hitan’ny olona nilatsaka avy teny ambony tetezana teo Ampasika omaly. Natelin’ny rano sy tsy hita hatramin’izao, raha ny fantatra hatrany. Nitangorona tokoa ny olona teny amin’iny faritra iny omaly maraina. Omaly vao maraina dia nandeha ny feo teny an-toerana, fa nisy olona nitsambikina teo amin’ny tetezan’Ampasika ary latsaka tao amin’ny ranon’Ikopa. Tsy fantatra mazava hatreto, raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana hatrany na namono tena izy io na latsaka fotsiny ihany. Mifamahofaho be ihany mantsy ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ity zava-nitranga ity. Misy ny milaza fa tena namono tena io rangahy io; izay voalazan’ireo mponina hatrany fa olona mipetraka eny amin’ny manodidina eny. Nifamaly tamin’ny vadiny rangahy io, raha ny filazan’ireo olona hatrany ary tonga hatramin’ny fisarahana. Tsy nahatanty ny onjam-piainana, ka lasa namarana ny androny tao Ikopa. Etsy andanin’izay indray anefa, ny sasany tamin’ireo olona nitantara fa rangahy mamo handeha hamonjy fodiana ka nisolifatra ary dia nianjera avy ambony tetezana avy eo. Hatramin’ny ora nianjeran’ilay rangahy tao aza dia mifangaro be ihany, ny fitantaran’ireo teny an-toerana. Misy ny nilaza fa efa tamin’ny alina, ny sasany indray hoe vao tamin’ny maraina. Ny zava-misy aloha dia tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, raha vao nampilazana ny momba io tranga iray io. Efa adim-pamantaran’andro maromaro ihany no nitsongolohana ny faritra rehetra sy nitadiavana izay mety ho vatana mangatsiakan’ity olona voalaza fa nianjera sy nitsoraka tao Ikopa ity. Saingy hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy hita izany, raha ny voalazan’ireo mpamonjy voina. Famonoan-tena ary ve sa sendra ny loza tsy nampoizina ? Tsy fantatra intsony hatreto. Mitohy ny fikarohana sy fanadihadiana momba ity resaka ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser