- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : Mpitondra môtô nandona ramatoabe, nodarohan’ny olona

Ampasika : Mpitondra môtô nandona ramatoabe, nodarohan’ny olona

Izy diso indray no avo vava ka nampiakatra ny hatezeram-bahoaka. Izay no nanjo an’ity lehilahy iray sahabo ho 22 taona nitondra môtô scooter nirimorimo mafy sady tsy nanao aroloha ka nandona ramatoabe iray saika hiampita ny arabe, amin’ny lalam-baovao avy any Itaosy mihazo an’i 67 Ha Atsimo iny, ny alakamisy tolakandro teo.Vokatry ny dona,nitrosona ilay ramatoabe. Tsy nanarina na nitondra ny niharan-doza tany amin’ny tobim-pahasalamana na mpitsabo no nataon’ilay tovolahy nandona, fa nivazavaza an’ilay ramatoabe ho tsy mahay miaina. Tezitra ireo andian-jatovo nivorivory teo ka nanatona ary nidaroka an’ilay mpitondra môtô avo vava efa mamomamo. Nanamparan’ny olona ny hatezerany teo ity lehilahy ity sy ny  soavalivy nentiny, izay nahitana fahasimbana. Vokatry ny daroka, naratra mafy izy ary nivoa-dra teo amin’ny orony. Ilay ramatoa kosa nanakanana fiara nentina tany amin’ny hopitaly.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser