Fonosan-drongony nahatratra hatramin’ny 102 isa no tratra teny amin’ity lehilahy iray, izay efa malaza ratsy amin’ny resaka fivarotana rongony teny amin’iny faritra Ampasika sy ny manodidina iny. Ny herinandro teo, nataon’ny pôlisin’ny STUP (sampan-draharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina) hazalambo ny lehilahy ary tsy navelan’izy ireo raha tsy tratra. « Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny fanenjehana ireo mpifoka sy mpivarotra zava-mahadomelina. Lehilahy iray no tra-tehaka teo am-pivarotana rongony teny Ampasika », hoy ny fampitam-baovao. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina natao fanadihadiana ny lehilahy ary nogiazana ireo rongony tratra teny aminy. Ny faran’ny herinandro teo izy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary navantana avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
Nangonin’i m.L