- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : Nantsingevan’ny rano ny fatin’ilay tovolahy namono tena

Ampasika : Nantsingevan’ny rano ny fatin’ilay tovolahy namono tena

Omaly maraina, vao hita ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy voalaza fa namono tena teo Ampasika, ny talata lasa teo. Araka ny fantatra sy voalazan’ireo olona teny an-toerana, dia natsingevan’ny rano ity tovolahy rehefa nezahana nokarohina efa ho telo andro maninjitra izay. Efa tena simba tanteraka ny vatany, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany. Raha tsiahivina kely, dia ny talata maraina ity tovolahy manodidina ny 20 taona ity, no hitan’ny olona nianjera avy teny ambony tetezana teo Ampasika ary nalentiky ny reniranon’Ikopa. Fotoana fohy taorian’io ihany, taorian’ny fampilazana nataon’ny olona no tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina, niezaka nikaroka ny vatana mangatsiakany. Herim-po very maina fotsiny anefa izany ny andron’io. Eny fa na dia efa fitaovana harifomba aza no nentin’ireo mpamonjy voina nitsingolohana ireo faritra rehetra mety hisy izany. Ny ampitson’io, ny alarobia lasa, mbola tonga teny an-toerana hatrany ireo mpamonjy voina nanao izay faran’ny ainy, niezaka nikaroka fa mbola tsy hita. Ary ny farany dia io naloan’ny ranon’Ikopa omaly io ity tovolahy ity. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Feo ihany monja mantsy no vohizina etsy sy eroa, miely eny an-toerana momba an’ity tovolahy ity. Izay milaza fa resa-pitiavana no antony namonoany tena. Raha ny sasany indray milaza fotsiny fa mamo izy io ary dia nianjera ka dia latsaka. Tsy hay intsony. Na izany na tsy izany anefa, tokony hisy ny fepetra horaisina manoloana na amin’ireo olona na amin’ireo tetezana amina faritra sasany eto an-drenivohitra izao, toa efa lasa toeram-pivarotana mihitsy, raha tsy hiteny afa-tsy eny Mandoseza sy Ampasika iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser