Jiolahy roa no maty voatifitry ny polisy teny Ampasika, ny harivan’ny Sabotsy 2 Septambra tokony ho tamin’ny 7 ora. Araka ny fanazavana, saika hanafika mpivarotra omby teny amin’ny abatoara eny an-toerana izy ireo sy ny namany roa hafa tamin’io fotoana io. Efa hatramin’ny maraina ireto jiolahy ireto no nihaodihaody teny amin’ny nanodidina io faritra io. Nanomboka io maraina io no efa nivezivezy nisotrosotro tao amin’ny toeram-pivarotana toaka iray teo Ampasika izy ireo. Araka ny vaovao hatrany, efa nanara-maso azy ireo ihany koa ny polisy. Niomana ny hanafika ilay mpivarotra omby mihitsy ireto jiolahy no niditra an-tsehatra ny polisy misahana ny ady amin’ny asa-jiolahy mahery vaika, na ny service anti-gang (SAG). Namaly tifitra avy hatrany anefa no sady nitsoaka ireo jiolahy raha vao nahita ireo mpitandro ny filaminana. Raikitra noho izany ny fifampitifirana ka nahalavo ireo jiolahy roa. Ny roa hafa kosa tafaporitsaka. Basy poleta marika Makarov iray sy basy vita gasy iray no tratra teny amin’ireto jiolahy maty ireto. Araka ny vaovao farany, mbola ao amin’ny tranom-paty eny amin’ny HJRA ny razana hatreto.
T.M.