Akory ny hatairan’ny olona, omaly hariva, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any, araka ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana dia tovolahy iray nitondra môtô no avy hatrany dia nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa teo amin’ny tetezan’Ampasika. Niakatra avo dia avo ny rano amin’izao fotoam-pahavaratra sy taorian’ireny oram-be tsy an-kijanona teo an-drenivohitra nisesisesy ireny. Avy hatrany dia natelin’ny rano ary tsy hita intsony ity tovolahy ity. Nitangorona ny olona. Fotoana elaela taorian’izay no tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina, niezaka nikaroka ity olona ity. Saingy nandroso nihamaizina ihany ny andro, mbola tsy hita ity olona nitsoraka tao Ikopa ity. Hatramin’ny ora nanoratanay, raha ny fantatra dia mbola miezaka mikaroka izany ireo mpamonjy voina. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ity tovolahy ity nitsoraka tao. Samihafa tanteraka ihany koa ny filazan’ireo mponina. Ny sasany nilaza fa mpangalatra môtô, nifanenjehan’ny fokonolona avy any izy io, niaraka tamin’ny môtô nangalariny. Nony hitany anefa fa tsy afaka intsony izy, dia naleony nisafidy ny ranon’Ikopa, namela ilay môtô teo an-tsisin-dalana. Ny hafa indray anefa milaza fa nanana olana ara-pitiavana ity tovolahy ity, ka naleony namarana ny androny sy nitsoraka teo amin’ny tetezan’Ampasika. Na izany na tsy izany dia efa miroso amin’ny fanadihadiana, ahitana izay tena marina ireo mpitandro filaminana eny an-toerana, mandram-piandry ny fahitana azy ao anaty rano ao.
m.L