Tovolahy manodidina ny 18 taona, efa vatana mangatsiaka indray, no nampiakarina avy tao Ikopa, omaly maraina, tetsy Ampasika. Kilaoty mantsy sisa no hany hita teny aminy. Ary nifono tao anaty karazana gony, teo am-povoan-drano, izy no hitan’ireo kilonga madinika sendra nilomano teny an-toerana. Araka ny fantatra teny an-toerana hatrany dia efa tamin’ny alarobia no tsy hita ity tovolahy ity ary eny amin’ny faritra Antetezana Afovoany no mipetraka. Nampandrenesina avy hatrany ny mpamonjy voina, izay tonga teny an-toerana sy nisarika ny razana ho eny amoron-drano. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony tena nahafaty ity olona ity. Nandeha ny feo teny an-toerana, nambaran’ireo manodidina, fa mety ho efa novonoin’olona tany ho any ity tovolahy ity, ary angamba nafatratra tao anatin’ilay gony. Azo heverina ihany koa ny hoe mety ho nilomano, ka sendra rano lalina, tafasaringotra tamin’ny fako ary maty an-drano. Tato anatin’ny fotoana vitsivitsy tokoa izay dia maromaro ihany ireo faty nampiakarina avy tao amin’ny ranon’Ikopa teo Ampasika. Hatreto aloha dia saika voalaza fa loza tsotra avokoa no nahazo azy ireo, izany hoe maty an-drano. Azo eritreretina ihany anefa hoe mety ho fanafenana vono olona ihany no ambadik’izy ireny, iza no mahita ? Apetraka ary anjaran’ireo mpanao fanadihadiana no mamaha izany.
m.L



