- Publicité -
samedi, septembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpasika : Zazalahy 14 taona nandroba fiara, saika matin’ny vono

Ampasika : Zazalahy 14 taona nandroba fiara, saika matin’ny vono

Tsy nisy nanam-po ! Ankizilahy roa tsy ampy taona vao 14 sy 15 taona tratra nandroba fiara P.205,saika matin’ny vono ny iray, raha nandositra ny faharoa, omaly antoandro, tetsy Ampasika. Raha ny angom-baovao, dia fiara nijanona teo amoron-dalana no nidiran’ny iray. Ilay boaikely faharoa efa galy fantsy kosa, mody nanadio (namafa) ilay fiara taty ivelany. Teo am-pakana « auto-radio » iny indrindra no tonga tampoka ny tompon’ny fiara, ka traingo ny asa ratsy. Raha vao nahita izany ny iray taty ivelany dia nitsoaka. Tsy afa-niala kosa ny namany tao anaty fiara, ka niharan’ny daroka sy vono ary nibindana hatramin’ny tarehy. Ny teo amin’ny manodidina tsy nanam-po na inona na inona ary nihevatra an’ireto tovolahy ireto ho nanasa fiara, satria izany no asany eny, hoy ireo nanatri-maso.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser