- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasimadinika Brickaville : Folo taona asa an-terivozona noho ny vonoan’olona

Ampasimadinika Brickaville : Folo taona asa an-terivozona noho ny vonoan’olona

Tsy nisalasala ny mpitsara mpamoaka didy, sy ireo mpitsara mpanampy miaraka aminy, ary ny fangatahan’ny fampanoavana ny fitsarana ambony ny fampiharana ny lalàna, ka nadatsaka ny didy fanamelohana an-tranomaizina asa an-terivozona folo taona ho an’Ingahy Randrianasolo Jean De Dieu. Voampanga mantsy ny tenany tamin’ny vono olona nitranga tao Ampasimadinika, rehefa niady tamin’Ingahy Lahadison Heritiana, ny faha-6 avrily 2020. Tamin’io fotoana io dia nandray hazo Ingahy Jean De Dieu ka nodarohany ny lohan’ity raim-pianakaviana. Naratra mafy ity voadaroka tamin’izay, ka ny rain’ilay nidaroka no nitondra ilay voadaroka teny amin’ny CSB II nisy tao an-toerana nitsaboana azy. Nanao ny vitany ny mpitsabo tao amin’ilay CSB II saingy nilaza izy ireo fa tsy vitan’izy ireo intsony izany noho ny hamafin’ny ratran’ilay rangahy, ka mila entina amin’ny hopitaly be mba hahazoany fitsaboana mifanaraka amin’ny ratrany. Vokatr’io ratrany mafy io dia roa andro taty aoriana dia tsy tana ny ainy. Taorian’izay dia niantohan’izy mianaka ny fandaniana nisahana ny fatin’ilay voadaroka, eny fa hatramin’ny fiantohana omby niandrasam-paty aza nandritra izany. Tsy nahasakana ny fitsarana namoaka didim-pitsarana henjena hatrany anefa ilay fandraisana andraikitra nataon’izy mianaka, satria nisy ny vono olona nitranga tao anatin’ny raharaha, ka izao sazy asa an-terivozona an-tranomaizina 10 taona izao no navoakan’ny fitsarana ady heloka, fitsarana ambony Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici