- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasimazava Toamasina : Mpanao « photocopie » notafihan’ny jiolahy roa nitondra « PA »

Ampasimazava Toamasina : Mpanao « photocopie » notafihan’ny jiolahy roa nitondra « PA »

« Mila filaminana izahay vahoaka ry mpitandro ny filaminana », « Stop l’Insécurité », ireo no tenin’ny olona eto Toamasina izao ; izay miparitaka amin’ireo tamba-jotra sosialy sy tamba-jotran-tserasera samihafa. Omaly indray mantsy, tamin’ny misandratr’andro tokony ho tamin’ny 10ora sy sasany, izay tsy lavitra ny vavahadin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ao amin’ny fokontany Ampasimazava atsinanana, ary tsy ialan’ireo mpitandro ny filaminana mpandamina kamiao mivoaka sy miditra ny seranan-tsambo, tao amin’ity mpanao « photocopie » iray izay fampiasan’ireo mpamoaka entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia nitrangana fanafihana mitam-basy. Niditra toy ny mpanjifa rehetra hanao dika mitovy ireny ireto jiolahy roa nitondra moto scooter, tsy nisy nanam-po azy ireo ho jiolahy  ny olona ka samy tsy nisy taitra ny tao anatin’ilay mpanao « photocopie ». Tampoka teo anefa raha niha-vitsy ny olona, dia nisy ny fanambanana basy ilay mpitam-bola tao amin’ny toerana ity izay nandrahona ny hamoahana ny vola rehetra. Tsy nanan-tsafidy ireo tao anatin’ity toerana ity, fa ny famoahana ny vola no natao, satria nandrahona ny hitifitra ireto jiolahy roa raha misy ny fiantsoana vonjy. Fantatra ihany koa fa ny herinandro nivalona iny dia telo ireo olona matin’ny basin’ireto andian-jiolahy ireto teto Toamasina. Lasa avokoa ny vola tao amin’ity fanaovana « photocopie » tao Ampasimazava ity, ary raha nahazo ny notadiaviny ireto jiolahy, dia lasa toy ny tsy nanao na inona na inona ireny. Efa tsy hita koa izy ireo vao niantso vonjy ilay tompon’ny fanaovana « photocopie » ity, ka teo vao samy gaga ny rehetra nahare fa notafihan’ny jiolahy ny tenany sy ireo olona tavela tao aminy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici