Ahiana tsy hitondra filaminana eo anivon’ny kaominin’Ampasimbe Manantsatrana ny zava-misy any an-toerana sy ny zava-mitranga mahazo ny mponina amin’izao fotoana. Hita taratra izany teto Toamasina raha nifanehitra ny mpitory sy ny toriana teo anivon’ny fitsarana, omaly tontolo andro.
Moana – Marenina “MD”. Omaly no niakatra fampanoavana sy zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha, izay ny ben’ny tanana Jacob Honoré sy ramatoa vadiny no mpitory, sy ireo vahoaka nosamborina toriana niaraka tamin’ny fianakaviany. Tamin’ity farany dia nisy 25 ihany izy ireo no tena niakatra fitsarana noho ireo vehivavy sy ireo tsy ampy taona nesorin’ireo mpitory (?) tao anatin’izao raharaha izao, teo anivon’ny zandary Fenoarivo atsinanana. Raha ny fanenjehan’ny fampanoavana dia fanakorontanana sy fanimbana fananan’olona ary fikasana hamono olona ny fanenjehana azy 25 mirahalahy ireto. Nanaraka izay ny mpitsara mpanao famotorana ka 23 tamin’ireo 25 no miandry fitsarana am-ponja ao Ambalatavoahangy, izay tafiditra ao anatin’izany ilay tovolahy Moana –Marenina no sady tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Roa tamin’izy ireo no nahazo “LP”.
Misy maty. Ny tena olana izao, dia ny fahafatesan’ilay rangahy iray voatifitry ny basim-borona avy ao amin’ny tranon’ingahy Jacob Honoré tao Ampasimbe Manantsatrana nandritra ilay sakoroka. Efa nezahina nentina teto Toamasina izy io taorian’ny fahavoazana mafy taminy; mbola nalefa tany Antananarivo ihany koa mba hahazo bebe kokoa ny fitsaboana sahaza ny faharatrany, saingy araka ny vaovao marim-pototra avy tamin’ny fianakaviany, izay tonga teto Toamasina ny razana omaly maraina tamin’ny 7ora, sy efa tonga any Ampasimba Manantsatrana ny razany, omaly tolakandro. Milaza ny tsy handefitra amin’izao raharaha izao ireo vahoaka sy ny fianakaviany, ka milaza ny hitory izay miankina amin’ny fitorian’izy ireo ny ho tohin’ny zavatra hitranga. Tsy mba isan’ny voasambotra tamin’izao fisamborana nafotaka tao Ampasimbe Manantsatrana izao mantsy ireo roa lahy nitifitra.
“Henjana ny raharaha” hoy ingahy Jacob Honoré teo am-pivoahana ny fitsarana omaly hariva; raha ny filazan’ny vadiny sy ireo namany akaiky anefa, dia tsy hihemotra amin’ny maha-ben’ny tanana lany teo anivon’ny fitsarana azy izy, satria betsaka loatra ny fahavoazana nahazo azy tamin’izao raharaha izao.
Malala Didier