- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpasimbe : Lehilahy nisandoka ho zandary voasambotra

Ampasimbe : Lehilahy nisandoka ho zandary voasambotra

Mafy izany te ho isan’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenana! Lehilahy iray, manodidina ny 46 taona teo ho eo no tra-tehaky ny zandary tany amin’iny kaominina Ampasimbe iny, eo amin’ny 25 km avy eo Ranomafana Atsinanana. Mitonona ho manamboninahitra avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena mihitsy ny lehilahy, eny fa na dia efa teo anatrehan’ny zandary tena izy aza.

Ny alahady teo no voapaingotra tany amin’io tanana io izy, araka ny tatitra azo, ary mbola teo am-pivarotana saka beloha hatrany tamin’ireo olona miaraka misotrosotro aminy. Nisy mailo tokoa mantsy ireo olona naheno ny firesany ka nampilaza avy hatrany ireo zandary ary nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany. « Raha nahita ireo zandary izy dia mbola nanamafy fa Lietnà miasa ao amin’ny DRH ao amin’ny Toby Richard Ratsimandrava » ny tenany ary « mbola nanamafy izy fa mahavita « affectation – avancement… » ho an’ireo zandary izay efa miresaka aminy nitady azy ». Tena fahasahiana nihoa-pampana ! Raha ny fijery azy ety ivelany tokoa dia tena isan’ny fianakaviamben’ny zandary ny lehilahy. Na ny toetoetra ety ivelany na ny fitafiana nanaovany, irony karazana ambonin’akanjo manga fanaovan’ny zandary irony, dia tena tsy misy anavahana azy amin’ny tena izy, raha ny fanazavàna hatrany. Zavatra iray loha monja anefa no nampirodana tanteraka ny tetik’adin’ity mpisoloky rehefa nanontanian’ireto mpitandro filaminana izy mahakasika ireto anaran’ireo lehibeny sy ny tompon’andraikitra ambony vitsivitsy eo anivon’ny zandamariam-pirenena. Tsy nahita holazaina teo ranamana ary vaky barara ny lainga nafenina. Nosamborina avy hatrany ity farany. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa nifonja ity lehilahy ity ary mbola io resaka fisandohana io hatrany no anton’izay. Tamin’izay fotoana izay indray dia nisandoka ho « CB » tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny lehilahy.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici