Efa tena tsy kely lalana marina ny ratsy ka manararaotra ny tsy filaminam-bahoaka misy koa ireo mpibizina basy ka mivarotra ireo basy PA vita gasy amboariny amin’ireo olona liana sy ireo mpandraharaha. Araka ny fanazavana dia tonga ao Ampasimbe Manantsatrana ireto mpibizina basy PA vita gasy ireto. Amidin’izy ireo 900.000 ariary ny basy iray alain’izy ireo 700.000 ariary amin’ny mpamongady. Ny alarobia 27 septambra lasa teo iny no tratran’ny polisy misahana ny heloka bevava ireto mianadahy nivarotra ity basy PA vita gasy tao Ampasimbe Manatsatrana ity raha efa nokarohan’ny polisy rehefa nahazo vaovao izy ireo. Nandritra ny famotorana azy ireo no nahalalana fa misy izany tovolahy iray izany mpamatsy ny basy amidin’izy ireo izay sakaizan’ity ramatoa iray efa tratra ity. Nambaran’ny polisy misahana ny heloka bevava eto Toamasina fa ampiasain’ireo jiolahy amin’ny bala 9mm ity basy ity ary tena mipoaka sy mahafaty mihitsy fa tsy sangisangy. Ny alakamisy teo no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha, ka efa miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy izy mianadahy ireto izao. Mitohy kosa ny fikarohana ilay tovolahy mpamatsy ny basy.
Malala Didier