Nandriaka tanteraka ny rà tao amin’ny fokontany iray tao Ampasina Manigory Fenerivo Atsinanana. Nisy mantsy ny lonilony ara-piarahamonina nateraka ady lova izay nisy tanimbary sy zavatra hafa, ka niafara tamin’ny fifamonoana ho faty ity ramatoa iray izay anabavy mpiray tampo. Raha ny vaovao voaray dia mipetraka eto Toamasina ingahy Indrazana Gertrude izay 61 taona, isan’ny manana fananana any ambanivohitry Ampasina Maningory. Ankoatra ireo anefa dia mbola manana anjara lova tamin’ny ray aman-dreniny koa izy nefa izao iadiany amin’ny anabaviny izao. Nampiasainy ny anadahiny ny tanimbary novoleny vary ka misasaka ny vokatra aorian’ny fiakaram-bokatra; vao maty anefa ny renin’izy ireo dia mitady ho giazan’ingahy rainy avokoa ny tanimbary rehetra lovan’izy mianadahy. Taty aoriana nisy ny tsy fifanarahana ka nampanofain’ilay anabaviny tamin’olon-kafa ilay tanimbary. Tonga niala sasatra tany amin’ny Tanana anefa ingahy Gertrude ny 19 jolay 2023, henony fa tao an-tanana ity anabaviny ka nitontonany teny an-tanimbary ary nokapakainy tamin’ny antsy ny lohany sy ny tarehiny ary ny tanany. Voalaza moa fa nanatrika ny zava-nisy ny zanaka ilay rangahy roa ka nosamborina avy hatrany mba hikarohana ny rain’izy ireo izay nitsoaka. Nilaza nanenina ingahy Indrazana Jean Baptiste izay iray tamin’ireo nanatri-maso ny famonoana, ka nisotro asidra izay fa nanenina ka voatery nahiditra hopitaly tao Fenerivo Atsinanana. Efa eo am-pelantan’ny fitsarana ao Fenerivo Atsinanana ny raharaha, saingy ilay ramatoa naratra mafy kosa dia nentina teto Toamasina notsaboina, saingy tsy vita teto noho filana “Scanner” ka voatery nalefa any Antananarivo, ary mbola tena ao hatramin’izao ny tenany.
Malala Didier