- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasipotsy Tsiroanomandidy : Ozinina mpamokatra « huile essentielle » nipoaka nahafaty olona...

Ampasipotsy Tsiroanomandidy : Ozinina mpamokatra « huile essentielle » nipoaka nahafaty olona iray

Semban-drahona ny fokontanin’Ampasipotsy, kaominina Maroharona, any amin’ny distrikan’i Miarinarivo, omaly. Lehilahy iray, 31 taona, no maty namoy ny ainy, roa hafa naratra, nadritra ny fipoahana nitranga tao amin’ny ozinina fanamboarana « huile essentielle » iray tany an-toerana. Araka ny loharanom-baovao dia nitranga ity loza ity ny marainan’ny alakamisy tamin’ny 6 ora raha mbola teo am-panodinana irony zavamaniry atao hoe « vetivert » fakana menaka « essentielle ireny ireo mpiasa enina tao amin’ity ozinina ity. Araka ny loharanom-baovao dia noho ny fihoaran’ny tsindrin’ny etona tao amin’ilay milina vokatry ny olana teknika no nahatonga ny loza. Mafy tokoa ny fipoahana ka nanaitra ny olona tao an-tanàna tamin’io vao maraina io. Nirohotra namonjy ny olona ka nahita ireto lehilahy telo naratra mafy. Noezahina nentina teny amin’ny hopitaly tany Tsiroanomandidy izy ireo. Indrisy anefa fa namoy ny ainy teny an-dalana ny iray. Marihina fa tanàna onenan’ireo mponina eo ambany fiahian’ny fikambanana ASA (Ankohonana Sahirana Arenina), izay mikarakara fifindra-monina ho an’ireo te hivoatra amin’ny fiainana ity nitrangan-doza ity. Isan’ireo mpahazo tombotsoa amin’izany ireto tra-doza ireto. Misaona, noho izany, ity fikamabanana ity. Efa natolotra ny fianakaviany moa ny razana, ary ireo roa naratra kosa dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici