- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmpatsakana : Mpanendaka vao nivoaka ny fonja, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ampatsakana : Mpanendaka vao nivoaka ny fonja, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tovolahy iray tokony ho 25 taona eo ho eo no tratran’ny fokonolona no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tetsy Ampatsaka rehefa tratran’ny fokonolona. Soa fa tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana izay efa nisy nampandre mialoha fa misy mpanendaka enjehin’ny fokonolona eny an-toerana ; Ny harivan’ny Alarobia 16 Aogositra tokony ho tamin’ny 7ora no nisehony raharaha. Tovovavy iray nandalo teo manoloana ny « Cité des assureurs » eo Ampatsakana no niantso vonjy fa nisy bandy roalahy nanedaka ny findainy. Nandray andraikitra avy hatrany ny manodidina ka nanejika ireto jiolahy. Tonga hatreny amin’ny farihin’Anosy ny fifanenjehana ka tratran’ny fokonolona tao anaty rano ity lehilahy ity. Noho ny hatezeran’ireo mpanenjika dia efa voadaroka ranamana notonga teny an-torena ny polisy ka nitondra azy tao amin’ny Biraon’izy ireo ao Ampefiloha. Ny fanadihadiana natao azy no nahalalana fa efa in-telo nigadra ranamana ary vao nivoaka ny fonja tamin’iny herinandro lasa iny noho ny resaka fanendahana ka eny amin’iny faritraAnosy iny no tena anavaony izany. Mazavaloatra fa naverina any am-ponja ity jiolahy ity rehefa natolotra ny fampanoavana omaly Alakamisy 17 Aogositra.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici