Mbola teo am-panaovana ny paikady rehetra hanafika mpamongady teny amin’ny faritr’i Namontana Anosibe ny olona miisa fito no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny BC tamin’ny faha-30 aprily lasa teo. Naharay vaovao ny mpitandro filaminana tamin’io fotoana io. Tsy niandry fa avy hatrany dia nandeha teny an’ilay toerana voatondro eny Ampefiloha amin’ny manamorona ny an’Andriantany ny polisin’ny BC3, ny SAG ary ny USI avy eny Antanimora. Tao an-tranona vehivavy iray izy ireo no sarona niaraka tamina fitaovana maro fitondran’ny mpandoba : basy vita gasy iray, sabatra, antsy, “barre à pince- burin”. Fantatra tamin’izany koa fa mbola hisy olona hafa ho avy hitondra kalach. Tsy mbola tonga anefa io ary karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Nosamborina ireo olona fito tao ka anisan’izany ilay vehivavy izay voalaza fa mampiatrano ireo jiolahy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa olona efa nigadra noho ny resaka vaky trano avokoa izy ireo. Efa samy nahavita ny saziny nefa izao mikasa hamerin-keloka izao indray. Ilay vehivavy dia ny famatsiana fitaovam-piadiana no nampigadra azy tany aloha. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy rehetra ireo.
r.s.