Niafara tamin’ny famoizan’ilay zaza ny ainy mihitsy moa, noho ny « famosaviana » nataon’izy telovavy ireto. Ary ny loza dia tsy io zaza io ihany fa mbola nisy hafa maromaro tany, araka ny voalazan’ireo mpanao fanadihadiana.
Vehivavy lehibe manodidina ny 39, 52, 62 taona no voatery nosamborin’ny pôlisy avy etsy amin’ny « poste de police » Ilanivato, tao Ampefiloha Ambodirano, noho izy ireo voarohirohy tamina resaka famosaviana. Zazalahy kely iray vao efataona monja no lasibatra tao anatin’izay, ary namoy ny ainy, ny taona nivalona iny. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia voapoizina tamin’ny alalan’ny sakafo nomena azy ilay zaza, saingy niendrika ho toy ny aretina tsotra ilay izy, saingy tsy nety sitrana efa am-bolana maro.
Raha ny vaovao hatrany « ny volana oktobra teo ilay zaza no nararin’ny fahasemporana ka noentin’ny ray aman-dreniny nijery mpitsabo ary nandaniana vola aman-karena saingy tsy nahitam-bahaolana izany fa nihombo hatrany ilay aretina ka namoy ny ainy ihany ilay Zaza. Niahiahy tamin’ny fomba nahafatesany ity zanany ireo Ray aman-dreny ary nanatona ny manam-pahefana nilaza fa misy olona tsy mifankahazo amin’izy ireo ary mety ahiany ho namosavy ilay zaza ». Nandray andraikitra avy hatrany ireo pôlisy ary nanomboka ny fanadihadiana. Vehivavy lehibe telo teo an-tanana no niantefan’ny ahiahy rehetra ary nanaovana famotorana. Nibaradaka tokoa ireto farany ary « nitsotra fa nomen’izy ireo biscuit misy poizina ilay zaza tsy manan-tsiny ». Ny tena loza aza, raha ny fampahalalam-baovao hatrany dia ny hoe tsy io zaza io ihany no efa nampiharan’izy ireo ny asa ratsiny fa efa maro, ka tao anatin’izany ireo nitondra taikitra tsy mety sitrana, nalemy fa indrindra ireo namoy ny ainy. Raha ny fantatra hatrany dia tsy nisy afa-tsy lonilony ara-piaraha-monina sy fialonana tsotr’izao fotsiny no mahatonga ireto « mpamosavy » ireto manao izany asa ratsiny izany. Efa nentina teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha mahakasika azy ireo. Tsy nisy nisalàsalàna fa dia nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna izy telo vavy ireto.
m.L