- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha – Ambodirano : Rava ny tambajotra mpangalatra « scooter »

Ampefiloha – Ambodirano : Rava ny tambajotra mpangalatra « scooter »

Arifomba tanteraka. Izay no azo hilazàna ireto andian-jiolahy mpangalatra môtô eto Andrenivohitra, izay ravan’ny pôlisy ny herinandro lasa teo teny amin’iny faritra Ampefiloha Ambodirano iny. Na izany eo amin’ny lafiny ara-pitaovana na amin’ny lafiny arak’olona. Araka ny fampitam-baovao azo mantsy dia karazana fitaovana maromaro, toy ny kojakojana môtô, antontantaratasina môtô marobe, niaraka tamina fitombmoka hosoka ho fanamboarana izany taratasina kodiaran-droa izany no hita tao amin’ireto olona ireto. Tsy vitan’izay, voarindra tanteraka ny fangalarana ireo « scooter » satria dia ampy olona tsara ireo olon-dratsy ary samy manana ny manavanana azy avokoa. Ao ireo mpitily sy mpanome vaovao, ireo mpangalatra fotsiny ary ireo mpanamboatra izany : mpamadibadika ireo kojakoja isan-karazany sy mpandoko, ary vitan’izy ireo hatramin’iny fanovàna ny laharan’ny môtera mihitsy aza izany, araka ny loharanom-baovao hatrany. Ao ihany koa ireo mpividy ireo môtô halatra efa voaova sy mivarotra izany indray. Tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao no nahafahana nidina teny an-toerana rehefa avy nahazo fahazoan-dàlana avy amin’ny fitsaràna. Lehilahy iray no tratra tao amin’io toerana io, niaraka tamin’ireo fitaovana maro samihafa voalaza etsy ambony ireo. Ity voasambotra ity indray no nanoro ny namany izay teny Ambohijafy Fenoarivo. Olona iray no voasambotra teny niaraka tamina môtô halatra iray. Nitohy hatrany ny fanadihadiana ka tafiakatra enina ireo olona mpikambana ao anatin’ity tambajotra mpangalatra « môtô » ity, izay nahitàna vehivavy roa. Raha ny fantatra hatrany dia rebirebin’izy ireo amina resaka « vato sarobidy » ireo tompona scooter tiana hojonoana ka  rehefa roboka dia ataon’izy ireo amin’ny fanaovana azy amin’izay. Marihana, hoy hatrany ny vaovao fa ny roa tamin’ireo olona voasambotra ireto dia efa nigadra noho ity resaka halatra môtô ity. Mbola misy kosa ireo naman’izy ireo karohina fatratra amin’izao fotoana izao raha ny fanazavàna azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici