- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Efa miaraka amin’ny « môtô » ireo mpanendaka

Ampefiloha : Efa miaraka amin’ny « môtô » ireo mpanendaka

Mitombo ny vola miditra dia mba hatsaraina ihany koa ny fitaovana ampiasaina… ? Fantatra mantsy izao fa efa mampiasa môtô ireo mpanendaka amin’izao fotoana entiny mitsoaka rehefa avy manao ny asa ratsiny izy. Toy ity tovolahy iray tratry ny avy ao amin’ny pôlisin’ny boriboritany fahaefatra avy nanendaka teny amin’iny faritra Ampefiloha iny, ny alakamisy lasa teo. Ramatoa iray teo no lasibatra, izay very pôketra miaraka amin’ireo antonta-taratasy maromaro sy vola. Rehefa avy nisintona ity poketra ity ilay tovolahy dia nitsoaka tamin’ny « scooter » mainty. Mazava ho azy, fa tsy afa-nanao na inona na inona ilay ramatoa teo anatrehan’izany, ankoatry ny niantso vonjy tamin’ny pôlisy. Napetraka avy hatrany dia paikady rehetra ka tsy lasa lavitra fa teny amin’iny faritra Andavamamba iny no voasakana ilay tovolahy rehefa nirimorimo niaraka tamin’ilay môtô sy poketra. Rehefa natao ihany koa ny fisavàna ny taratasin’ilay « scooter » dia fantatra fa tsy nisy na dia tamingany aza teny aminy. Nentiny avy hatrany natao famotorana moa ity mpanendaka ity ary notazomina ihany koa ilay môtô, izay tsy fantatra hatreto na halatra ihany koa na tsia.

Mirongatra izay tsy izy mihitsy ity resaka tsy fandriampalemana ity eto amintsika. Izany indrindra aza moa no anton’ilay hetsika omaly antoandro, izay nampiray hina ireo vahoaka tofoka amin’ny ataon’ireo mpanao ratsy. Ekena sy tsy azo lavina anefa fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitandro filaminaan ary porofon’izany ny fahatratrarana ireo mpanendaka am-polony isan’andro eto amintsika, ary ireo andian-jiolahy isan-karazany. Ny mahagaga sy mahavariana, ary isan’ny hitarainan’ireo mpitandro filaminana anefa ny hoe, vetivety ireo voasambotra dia mivoaka sy miriaria indray ary manohy ny asa ratsiny. Hany ka sahy mihantsy ireto farany mihitsy. Asa, aiza ho aiza amin’izany ny lesoka tokony harenina ? Ary sao lahy zavatra hafa mihitsy ihany koa no tokony ho jeren’ireo mpitondra : ny ati-vilanin’ny mponina ohatra ? Rehefa voky hono, mantsy ny vahoaka, ho foana ho azy ny fangalarana…

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici