- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Fisolokiana, lafony hatramin’ny tranon’ilay olona tsy salama

Ampefiloha : Fisolokiana, lafony hatramin’ny tranon’ilay olona tsy salama

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy mampiasa izao hevi-petsy rehetra izao. Lasany ny vola fisotroan-dronono, nampitahorina ilay lehilahty lehibe, ary ny tena angano, namidiny ny tranony etsy Ambondrona. Fotoana ela taty aoriana anefa vao tratra ny zavatra nantaony, araka ny vaovoa nampitain’ny polisy avy ao Ampefiloha. Tonga moa dia nosamborina ity olona ratsy toetra ity. Ny vaovoa hatrany no nahafantarana fa tamin’ny 15 jona 2014 dia noraisin’ny lehilahy iray tsy salama intsony ny olona antsoina heo Tojo Mampionona hikarakara azy, satria tsy afaka manao na inona na inona ilay lahy antitra. Dia nifanaraka teo izy ireo ary nantsoina hoe Dadatoa ilay hotezaina. Noraisiny toy ny zanaka an-trano mihitsy ity mpikarakara. Zavatra hafa mihitsy anefa ny nokendreny, araka ny efa voalaza ery ambony.

Tao anatin’ny fotoana niarahan’izy ireo nipetraka, betsaka ny zavatra ratsy natao an’ilay tsy salama. Ity farany rahateo natoky tanteraka izay nolazaina taminy. Rehefa lafo ilay trano, tsy hita intsony ny najavonan’i Tojo. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa nividianany fiara ny vola azony tamin’ny vidin’ny trano. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra hatrany fa efa fanaon’ity Tojo ity ny fisolokiana. Ankoatra ny halatra nataony tao amin’ilay olona, nampiasa karapanondro sandoka koa izy. Araka ny vaovao avy amin’ny fianankavian’i Tojo Mampionona dia efa fanaony izao asa fisolokiana izao ka nahatonga azy nitsoaka avy tany Amparafaravola. Omaly no natolotra ny fampanoavana ity lehilahy ratsy fanahy ity.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser