Nitatatata indray ny basy, tetsy amina trano lehibe iray tetsy Ampefiloha, omaly hariva. Toeram-pivarotam-panafody iray tao an-toerana no lasibatry ny fanafihan-jiolahy. Vokany, olona iray no maty voatifitra. Voaendaka ny mpanjifa ary lasa ny vatam-bola tao amin’ilay fivarotana.
Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no nitranga ity fanafihana niharo vono olona ity. Fotoana, azo lazaina fa mbola maha-be olona teny an-toerana, ary tsy lavitra biraon’ny mpitandro filaminana kanefa dia sahin’ireo jiolahy ny nanao ny asa ratsiny. Araka ny angom-baovao azo, dia telo lahy niaraka tamin’ny basy no nanao amboletra niditra tao amin’ity fivarotam-panafody ity; izay mbola nisokatra tamin’io fotoana io. Mpanjifa maromaro no tao anatin’izany toerana izany, izay samy tsy nisy afa-nanao n’inona n’inona teo anoloan’ny fandrahonan’ireo jiolahy tamin’ny basy. Tao anatin’ny fotoana fohy monja no nangalan’izy ireo sy nibatany ny « coffre » nisy ny vola. Tsy vitan’io anefa, fa mbola norobain’izy ireo ihany koa ireo olona rehetra tao amin’ilay fivarotam-panafody. Tamin’io fotoana io no tsy fantatra izay tena nitranga tao, fa nirefotra amin’izay ny basy. Niantefa teny amina mpanjifa iray ny bala. Lasa nitsoaka avy hatrany moa ireto olon-dratsy raha vao nahavita ny asa ratsiny. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireto voatafika. Nezahina novonjena ihany koa ilay voan’ny bala, saingy efa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana, niezaka nanenjika ireo mpanafika sy nanao savahao ny manodidina rehetra. Nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty kosa ilay lehilahy namoy ny ainy.
m.L