Voasambotra indray i Dore ! Jiolahy rain-dahiny amin’ny fanafihana, fanendahana, ary sinto-mahery eny amin’iny faritra Ampefiloha sy Isotry iny. Araka ny fantatra dia efa in-telo nidoboka tany Antanimora ranamana, noho ireo asa ratsiny ireo saingy toa mbola tsy fay ihany fa mbola mamerina foana. Ary dia izao voasambotra izao indray, ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia mpiantsena vao maraina, na avy ireo mivarotra ny hariva no tena lasibatr’ity Dore ity sy ny tariny. Roalahy izy ireo no tena mpiaraka amin’izany asa ratsiny izany. Iny manodidina ny amin’ny 6 ora ka hatramin’ny valo ora iny izy no tena « miasa » raha ny famotorana nataon’reo pôlisy taminy. Efa efa ela nifampitadiavana ity jiolahy ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Tamin’io alarobia io, dia niomana ny handeha handehaka teny amin’iny faritra Ampefiloha iny sy ny namany. Noho ity efa mpamerin-keloka loatra dia fantatry ny rehetra avy hatrany ny endriny, izay nampilaza avy hatrany tamin’ireo mpitandro filaminana. Nidina tena an-toerana avy hatrany ireto farany. Tratra teo amin’ny toerana voalaza tokoa Dore. Tafaporitsaka ilay namany. Raha ny filazany, matetika dia tsy mandeha irery izany izy, fa tsy maintsy misy namany iray na roa miaraka aminy. Ny zoma ho avy izao no atolotra ny Fampanoavana ity jiolahy mpamerin-keloka ity ary inoana marimarina fa tsy maintsy hidoboka am-ponja indray. Efa tsy hagaga ny olona intsony anefa ny hoe, volana ihany no isaina dia efa inty indray izy sy namany, miandry an-kodimirana ireo mpiantsena sy mpivarotra eny an-toerana. Isan’ny toe-javatra mahalasa saina ihany marina ny toa izany. Tsy i Dore irery ihany fa saika ireo mpanendaka rain-dahiny eto an-drenivohitra. « Toeram-pitsangantsangana, fakàn’aina ary fanangonana akama » mihitsy aza moa ny any, hoy ny hanihanin’ny sasany. Mampieritreritra …
m.L