- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : « Kiosque » voatafika tamin’ny basy

Ampefiloha : « Kiosque » voatafika tamin’ny basy

Vola mitetina 6 tapitrisa ariary no lasa

Amin’ny dimy ora hariva no miseho ny fanafihana. « Kiosque » iray izay fangalàna vola amin’ny finday (mobile banking) no notafihan’ny roa lahy mandeha môtô. Nambanana basy ny tompon’andraikitra ary nazava avy hatrany ny tian’ireo jiolahy hahatongavana. Navoaka ny vola rehetra izay nisy tao anaty « caisse ». Raha araka ny vaovao azo tamin’ny fanamarinana natao dia mitentina 6 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy. Eo amin’ny toerana be olona no misy io « kiosque » io saingy tsy nisy nahavita na inona na inona ny olona noho ny fisian’ny basy. Vetivety rahateo ny fanafihana ary betsaka no tsy nahatsikaritra satria nandeha toy ireny mpanjifa tsotra ireny ireo jiolahy. Nitsoaka tamin’ny scooter izy ireo nony avy eo ary rehefa nanao aroloha dia tsy nisy nahatsikaritra intsony ny endriny ny olona. Nandrasan’ireo mihitsy izany ny haha hariva  ny andro mba hanafihana, amin’izay mba efa fenofeno tsara ny vola ao anaty « caisse », raha ny fijery ity raharaha ity. Na izany aza dia azo eritreretina fa efa fantatr’ireo jiolahy ny manodidina, ny fomba hitsoahana, ny fomba fanafihana izay izy ireo vao niroso tamin’izany. Midika hatrany izany fa miasa anaty tambajotra ny olon-dratsy ary samy manana ny asany ao anatin’izany. Misy ny manara-maso fotsiny ny fihetsiky ny hotafihana : ny fidirany anaty birao, ny fivoahany sns. Ao anatin’izany ihany koa ny fotoana maha-betsaka ny vola miditra. Rehefa voafehy izany rehetra izany dia manomana ny fanafihana amin’izay sy manapaka ny fotoana hanatontosana an’izany. Tsy misy afa-tsy izay no mahatonga ny fandrobana lasa mahomby matetika ary koa vita ao anatin’ny fotoana fohy. Midika izany fa mila mailo hatrany ny mpikirakira vola ary mandinika ihany koa ny manodidina ary mampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany raha vao misy zavatra mampiahiahy sy miova.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici