- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Kômôriana nanosika bevohoka tao anaty taksibe, niharan'ny hatezeran'olona

Ampefiloha : Kômôriana nanosika bevohoka tao anaty taksibe, niharan’ny hatezeran’olona

Saika isan’andro ahenoana fanamparam-pahefana ataon’ny vahiny foana eto amintsika ary manjakazaka ny sasany amin’izy ireo, mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna. Omaly antoandro tetsy Ampefiloha, kômoriana iray niady toerana tao anaty taksibe no nanosika sady niteny ratsy vehivavy Malagasy bevohoka. Niakatra afo ny ankamaroan’ireo mpandeha nanoloana ny fihetsika tsy faseho masoandro nataon’ity vazaha mainty hoditra ity. Tovolahy bokonozatra tsy nahatsindry fo no avy hatrany dia nisintona ny vozon’akanjon’ilay kômôriana sady nanosika azy hivoaka ny fiara fitateram-bahoaka mbola teny am-pandehanana. Hany herin’ity kômôriana ity nidina teo Anosy, noho ny tahotra ny hatezeram-bahoaka.
Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser