- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Lehilahy 56 taona tratra nangarom-paosy, nosamborin’ny polisy

Ampefiloha : Lehilahy 56 taona tratra nangarom-paosy, nosamborin’ny polisy

Lehilahy iray mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery amin’iny faritra Ampefiloha iny, efa 56 taona monina eny Ambohimanarina no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny « Poste de Police » Ampefiloha ny alatsinainy 19 septembra 2016 tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany antoandro, teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eny an-toerana tsy lavitra fivarotan-dasantsy iray eny an-toerana.

Ny vaovao voaray no nahafantarana, fa mody nifandrombaka niditra anaty fiara fitaterana ny anao lahy tamin’io fotoana io. Nisy rangahy iray nivoaka, izy kosa isan’ireo olona nifanesika hiditra. Somary nobahanany ny lalàn’ilay rangahy ka raikitra mihitsy ny fifamaliana. Rehefa tafavoaka ilay rangahy dia nitsapa ny tany am-balahany ka akory ny hatairany, fa efa tsy tao intsony ny vola mitentina iray tapitrisa ariary tany aminy. Nivoaka indray anefa ilay voalaza fa nangarona paosy rehefa tena handeha ilay bus. Tsikaritr’ilay rangahy tampoka anefa izy ka nantsoiny. Vao naheno izany ilay mpangalatra dia rifatra nitsoaka. Raikitra ny antsoantso sy ny fanenjehana azy. Nahita izany ny polisy niasa nandamina ny fifamoivoizana tsy lavitra teo dia nanampy ny olona nanenjika ka tsy lasa lavitra dia tratra ilay mpangalatra. Rehefa nosavaina izy, dia mbola hita tany aminy ilay vola iray tapitrisa ariary vao avy nangalariny. Tamin’ny fanadihadiana an’ity lehilahy lebihe ity no nahafantarana,fa efa nigadra in-droa izy talohan’izao nahatrarana azy izao. Etsy an-daniny, tsy vitsy ireo olona nametraka fitoriana tao amin’ny polisy nahafantatra azy ary nanamafy fa io tokoa ilay olona mpangalatra sy nangarom-paosy azy ireo. Tsy nety tratra mihitsy anefa izy io tamin’izany fotoana izany. Omaly talata no natolotra ny Fampanoavana ity olona ity.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici