Nitrangana loza indray ny teny amin’ny lalam-by teny Ampefiloha,omaly. Lehilahy iray no naratra mafy nodomin’ny fiaran-dalam-by. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana dia tokony ho tamin’ny 4 ora hariva tany ho any no nandalo ity fiaran-dalam-by namoa-doza ity. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa somary namofon-toaka ity ranamana ity, izay nivembenena teny am-povoan’ny lalam-by. Tsy nahatazana mihitsy ny niavin’ity lamasinina ity na dia efa nandefa anjomara fanairana aza ity farany. Voapoka teo amin’ny lohany ity rangahy ity ary nipitika lavitra ny toerana nisian’ny loza mihitsy. Soa ihany, araka ny voalazan’ireo nanatri-maso fa nianjera lavitra ity rangahy ity ka tsy voarain’ny kodiaram-by, raha tsy izany dia izay vao tena loza no nahazo azy. Nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ity lehilahy voadon’ny lamasinina ity ka nalaky voavonjy ny ainy, araka ny filazan’ireo teny an-toerana. Iny faritry ny lalamby Ampefiloha iny moa dia saika ahitana loza toa izao foana. Maro tokoa mantsy ireo olona, indrindra fa ireo olona tsy manan-kialofana, no mifamezivezy sy monina mihitsy eny amin’iny faritra manodidina ny lalam-by Ampefiloha iny. Misy amin’izy ireo aza ny tsy mihevitra intsony ny mety ho fisian’ny lamasinina mandalo amin’iny toerana iny ka mampiasa izany lalam-by izany ho toeram-pilalaovana, toeram-panahazan-damba, toeram-pivarotana, toeram-pivoahana, sns. Hanairana foana ny sain’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny mba tokony hijerena akaiky ny momba ireo olona ireo, izay mitatao loza isan’andro mba hisorohana ny loza tahaka izao.
Mike L.