- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô nofaohin’ny “semi-remorque”

Ampefiloha : Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô nofaohin’ny “semi-remorque”

Ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny folo ora latsaka, mpitondra môtô  iray no nofaohana semi-remorque, teny Ampefiloha.  Nandriaka ny rà, niparitaka eran’ ny lalana ny atidohan’ity tovolahy ity taorinan’ny nitrangan’ny loza. Semi-remorque iray no nandona azyka nianjera itsy farany. Noho ny hamafin’ny fifandonana dia  tsy tana intsony ny ain’ity mpitondra môtô ka nalefa avy hatrany tany amin’ny morgue. Raha araka ny vaovao voaray, dia tovolahy 24 taona ity maty tsy tra-drano ity. Rehefa nitranga ny loza dia nandeha ny resaka fa nitsoaka ilay mpamily. Raha araka ny nambarany tamin’ny fakana am-bavany azy  anefa, dia tsy nahita sy tsy naheno zavatra hafahafa akory izy ka nanohy ny diany hatrany.  Ny olona nanatri-maso no niezaka nanenjika azy ka nampahafantatra azy ny loza. Nanatona avy hatrany ny polisy eny amin’ny  boriborintany fahafito  anefa itsy farany taorian’izay.  Eo am-panatanterahana ny fanadihadiana ny polisy ankehitriny hamoahana ny antony  nety niteraka ny loza.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici