Asa raha izao tokoa ny hoe toy ny mandeha miala sasatra ny fiheveran’ireo olon-dratsy sasany ny midoboka am-ponja. Lehilahy iray, efa imbalo nigadra noho ny resaka harom-paosy sy fanendahana indray mantsy no voasambotry ny pôlisy tetsy Ampefiloha, raha teo am-panantanterahana ny asa ratsiny, ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo. Araka ny tatitry ny pôlisy tonga taty aminay dia roalahy izy ireo no efa mitily ireo mpiandry taxibe teo Ampefiloha. Tovolahy iray mibaby kitapo teto no saika lasibatra. Satria raha teo am-pisisihana amina taxi-be iny ity farany no novohain’ilay namany iray tsimoramora ny kitapony, ary azon’ilay iray mihitsy ny finday tao anatin’izany. Sendra nahatsikaritra izany anefa ity farany ary mbola teny an-tanan’ilay iray rahateo ilay finday. Niantso vonjy tamina pôlisy teo akaiky teo ihany ity tovolahy ity ka raikitra ny fifanenjehana. Voasambotra ny iray saingy tafaporitsaka kosa ilay faharoa. Mbola tratra teny moa ilay finday ka nomena ny tompony. Ity mpanendaka rain-dahiny ity kosa nentina nanaovana famotorana ka tamin’izany no nahafantarana fa efa mpamerin-keloka ikoizana ingahy rainy. Notazomina natao andrimaso tao amin’ny biraon’ny pôlisy moa ity farany mandra-piandry ny fanolorana azy eny amin’ny Fampanoavana
m.L