- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Mpanendaka miaraka amin’ny «katana»

Ampefiloha : Mpanendaka miaraka amin’ny «katana»

Moa va tsy toy ireny sabatra lavalela fentin’ireo «samourai» fahita amin’ny horonan-tsary ireny mihitsy no entin’ireo tontakely manao ny asa ratsiny, eny amin’iny faritra Ampefiloha iny ? Ny talata lasa teo dia tovolahy iray, niaraka tamin’izany antsy lavalela izany no tra-tehaky ny polisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika (SAG) teny an-toerana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenana dia nisy ny fitairanana tonga any amin’izy ireo mahakasika ny fisiana mpanendaka maromaro mitondra izany karazana fitaovam-piadiana izany eny an-toerana. Eny an-toerana rahateo, izay lasa faritra mena amin’izany asa ratsy izany, indrindra fa ny sinto-mahery sy ny harom-paosy. Rehefa nisy araka izany ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ny pôlisy fa efa mihaodihaody eny an-toerana ny tovolahy iray, izay efa fantatry ny maro fa mpanendaka raindahiny, dia nisy avy hatrany ny fidinan’ny pôlisy teny an-toerana. Tsy ela tokoa, ary saika teo am-panaovana ny asa ratsiny ity tontakely iray no tra-tehaka sy noraisim-potsiny. Mbola tratra tany aminy moa ity karazana fitaovam-piadiana ity tamin’ny fotoana nisamborana azy, hoy hatrany ny vaovao. Marihana fa efa mpamerin-keloka ary efa nampitondra faisana olona maro teny amin’iny faritra Ampefiloha sy ny manodidina iny ingahirainy, raha ny filazan’ny pôlisy hatrany. Nentina natao andrimaso tao amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahefatra avy hatrany moa ranamana atao famotorana, alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny fitsaràna.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici